< ԿՈՂՈՍԱՑԻՍ 4 >

1 Տէրե՛ր, հատուցանեցէ՛ք ձեր ստրուկներուն՝ իրաւունքով ու հաւասարութեամբ, գիտնալով թէ դո՛ւք ալ ունիք Տէր մը՝ երկինքը:
Hianareo tompo, ataovy amin’ ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
2 Յարատեւեցէ՛ք աղօթքի մէջ, եւ արթո՛ւն կեցէք անոր մէջ՝ շնորհակալութեամբ:
Mahareta amin’ ny fivavahana, ka miambena amin’ izany amin’ ny fisaorana,
3 Միաժամանակ աղօթեցէ՛ք նաեւ մեզի համար, որ Աստուած խօսքի դուռ մը բանայ մեզի՝ խօսելու Քրիստոսի խորհուրդին մասին, որուն համար կապուած ալ եմ,
ary mangataha koa ho anay, mba hamohan’ Andriamanitra varavarana ho an’ ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an’ i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
4 որպէսզի յայտնաբերեմ զայն այնպէս՝ ինչպէս պէտք է խօսիմ:
mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
5 Իմաստութեա՛մբ վարուեցէք դուրսիններուն հետ՝ գնելով ժամանակը:
Mandehana amin’ ny fahendrena amin’ izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
6 Ձեր խօսքը ամէն ատեն շնորհքո՛վ թող ըլլայ, աղով համեմուած, որ գիտնաք թէ ի՛նչպէս պէտք է պատասխանէք իւրաքանչիւրին:
Aoka ny fiteninareo ho amin’ ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
7 Իմ մասիս ամէն ինչ պիտի գիտցնէ ձեզի Տիւքիկոս՝ սիրելի եղբայրը, հաւատարիմ սպասարկուն եւ ծառայակիցը Տէրոջմով:
Ny toetro rehetra dia holazain’ i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin’ ny Tompo;
8 Զինք սա՛ նպատակով ղրկեցի ձեզի, որպէսզի գիտնայ ձեր մասին՝՝ ու մխիթարէ ձեր սիրտերը,
ny anton’ ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;
9 Ոնեսիմոս հաւատարիմ եւ սիրելի եղբօր հետ՝ որ ձեզմէ է. իրենք պիտի գիտցնեն ձեզի ամէն ինչ որ կայ հոս:
ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ.
10 Կը բարեւէ ձեզ Արիստարքոս՝ գերութեան ընկերս. նաեւ Մարկոս՝ Բառնաբասի եղբօրորդին, (որուն մասին պատուէրներ ստացաք. ընդունեցէ՛ք զինք՝ եթէ գայ ձեզի, )
Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan’ i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),
11 եւ Յիսուս՝ որ Յուստոս կը կոչուի, որոնք թլփատութենէն են: Միայն ասո՛նք գործակցեցան ինծի՝ Աստուծոյ թագաւորութեան մէջ, եւ մխիթարութիւն եղան ինծի:
ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin’ ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’ Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
12 Կը բարեւէ ձեզ Եպափրաս՝ Քրիստոսի ծառան, որ ձեզմէ է. ամէն ատեն աղօթքի մէջ կը պայքարի ձեզի համար, որպէսզի դուք կատարեալ ու լման կենաք՝ Աստուծոյ ամբողջ կամքին մէջ:
Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon’ i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin’ izay rehetra mety ho sitrapon’ Andriamanitra.
13 Անոր համար կը վկայեմ թէ շատ նախանձախնդրութիւն ունի՝ ձեզի, ինչպէս նաեւ Լաւոդիկէի ու Յերապոլիսի մէջ եղողներուն համար:
Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an’ ny any Laodikia ary ho an’ ny any Hierapolia izy.
14 Կը բարեւեն ձեզ Ղուկաս՝ սիրելի բժիշկը, եւ Դեմաս:
Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
15 Բարեւեցէ՛ք եղբայրները՝ որ Լաւոդիկէ են, ու Նիմփաս եւ անոր տան մէջ եղող եկեղեցին:
Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an-tranony.
16 Երբ այս նամակը կարդացուի ձեր մէջ, կարդա՛լ տուէք նաեւ Լաւոդիկեցիներու եկեղեցիին մէջ: Դուք ալ կարդացէ՛ք Լաւոդիկէէն եկած նամակը,
Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin’ ny fiangonan’ ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin’ ny Laodikiana.
17 եւ ըսէ՛ք Արքիպպոսի. «Զգուշացի՛ր քու սպասարկութեանդ համար՝ որ ստացար Տէրոջմով, որպէսզի գործադրես զայն»:
Ary lazao amin’ i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ ny Tompo mba hahatanterahanao izany.
18 Ես՝ Պօղոս, ի՛մ ձեռքովս կը գրեմ այս բարեւը: Յիշեցէ՛ք կապերս: Շնորհքը ձեզի հետ: Ամէն:
Ity no veloma ataon’ ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

< ԿՈՂՈՍԱՑԻՍ 4 >