< ԵՐԿՐՈՐԴ ԹԵՍԱՂՈՆԻԿԵՑԻՍ 3 >

1 Վերջապէս, եղբայրնե՛ր, աղօթեցէ՛ք մեզի համար, որպէսզի Տէրոջ խօսքը արագ ընթանայ ու փառաւորուի ամէն տեղ՝ ինչպէս ձեր մէջ,
Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan’ ny tenin’ ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo,
2 եւ մենք ազատինք վատ ու չար մարդոցմէ. որովհետեւ բոլորը հաւատք չունին:
ary mba hovonjena ho afaka amin’ ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
3 Բայց Տէրը հաւատարիմ է. ան պիտի ամրացնէ ձեզ եւ պահէ Չարէն:
Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon’ ny ratsy.
4 Ու մենք համոզում ունինք ձեր վրայ Տէրոջմով, թէ ինչ որ պատուիրեցինք ձեզի՝ կ՚ընէք եւ պիտի ընէք ալ:
Fa izahay matoky anareo ao amin’ ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.
5 Տէրը թող ուղղէ ձեր սիրտերը դէպի Աստուծոյ սէրն ու Քրիստոսի համբերութիւնը:
Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ho amin’ ny faharetan’ i Kristy.
6 Կը պատուիրենք ձեզի, եղբայրնե՛ր, մեր Տէրոջ՝ Յիսուս Քրիստոսի անունով, որ զգուշանաք ամէն եղբօրմէ՝ որ կ՚ընթանայ անկարգութեամբ, եւ ո՛չ թէ այն աւանդութեան համաձայն՝ որ ընդունեցիք մեզմէ:
Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin’ ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
7 Որովհետեւ դուք ձեզմէ գիտէք թէ ի՛նչպէս պէտք է նմանիք մեզի. քանի որ մենք անկարգութեամբ չընթացանք ձեր մէջ,
Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay,
8 ո՛չ ալ ձրի կերանք մէկուն հացը, այլ գիշեր ու ցերեկ կը գործէինք՝ աշխատանքով եւ տաժանքով, ձեզմէ ո՛չ մէկը ծանրաբեռնելու համար:
ary tsy nihinana foana izay hanin’ olona, fa niasa andro aman’ alina tamin’ ny fikelezan’ aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza;
9 Ո՛չ թէ իրաւունք չունէինք, հապա մենք մեզ տիպար դարձուցինք ձեզի՝ որպէսզի նմանիք մեզի:
tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay.
10 Որովհետեւ երբ ձեր քով էինք, սա՛ կը պատուիրէինք ձեզի, թէ “ա՛ն որ չ՚ուզեր գործել, հա՛ց ալ թող չուտէ”:
Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.
11 Արդարեւ կը լսենք թէ ձեր մէջէն ոմանք կ՚ընթանան անկարգութեամբ, բնա՛ւ չեն գործեր, հապա հետաքրքրամոլ կ՚ըլլան:
Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an’ olona.
12 Այդպիսիներուն կը պատուիրենք ու կը յորդորենք մեր Տէրոջմով՝ Յիսուս Քրիստոսով, որ գործեն հանդարտութեամբ եւ ուտեն իրե՛նց հացը:
Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin’ i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin’ ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany.
13 Իսկ դո՛ւք, եղբայրնե՛ր, մի՛ ձանձրանաք բարիք գործելէ:
Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa.
14 Եթէ ոեւէ մէկը չհնազանդի այս նամակին մէջ մեր ըսած խօսքին, նշանակեցէ՛ք զայն ու մի՛ յարաբերիք անոր հետ, որպէսզի ամչնայ:
Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin’ ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy.
15 Բայց թշնամի մի՛ համարէք զինք, հապա խրատեցէ՛ք իբր եղբայր:
Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy.
16 Նոյնինքն խաղաղութեան Տէրը խաղաղութիւն տայ ձեզի, ամէն ատեն եւ ամէն կերպով. Տէրը ձեր բոլորին հետ:
Ary ny Tompon’ ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.
17 Ես՝ Պօղոս, ի՛մ ձեռքովս կը գրեմ այս բարեւը, որ ամէն նամակի մէջ իմ նշանս է. ես ա՛յսպէս կը գրեմ:
Ity no veloma ataon’ ny tanako, izaho Paoly; izao no famantarana eo amin’ ny epistily rehetra; izao no soratro.
18 Մեր Տէրոջ՝ Յիսուս Քրիստոսի շնորհքը ձեր բոլորին հետ: Ամէն:
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.

< ԵՐԿՐՈՐԴ ԹԵՍԱՂՈՆԻԿԵՑԻՍ 3 >