< ԱՌԱՋԻՆ ԹԵՍԱՂՈՆԻԿԵՑԻՍ 5 >

1 Բայց, եղբայրնե՛ր, պէտք չունիք որ գրեմ ձեզի այդ ժամանակներուն եւ ատեններուն մասին,
Fa ny amin’ ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
2 քանի որ դուք իսկ ճշգրտութեամբ գիտէք թէ Տէրոջ օրը կու գայ գիշերուան գողին պէս:
satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ ny alina ny andron’ ny Tompo.
3 Երբ մարդիկ ըսեն թէ “խաղաղութիւն եւ ապահովութիւն է”, այն ատեն աւերումը անակնկալօրէն պիտի հասնի անոնց վրայ՝ յղիին երկունքին պէս, ու զերծ պիտի չմնան:
Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
4 Բայց դո՛ւք, եղբայրնե՛ր, խաւարի մէջ չէք, որ այդ օրը գողի մը պէս հասնի ձեր վրայ.
Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
5 որովհետեւ դուք բոլորդ լոյսի որդիներ էք, եւ ցերեկուան որդիներ.
Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ ny alina na an’ ny maizina isika.
6 գիշերուան որդիներ չենք, ո՛չ ալ խաւարի: Ուրեմն չքնանա՛նք ուրիշներու նման, հապա ըլլա՛նք արթուն ու զգաստ.
Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.
7 քանի որ անոնք որ կը քնանան՝ գիշե՛րը կը քնանան, եւ անոնք որ կ՚արբենան՝ գիշե՛րը կ՚արբենան:
Fa izay matory dia matory amin’ ny alina; ary izay mamo dia mamo amin’ ny alina.
8 Իսկ մենք՝ որ ցերեկուան որդիներն ենք, զգա՛ստ ըլլանք՝ հագնելով հաւատքի ու սիրոյ զրահը, եւ իբր սաղաւարտ՝ փրկութեան յոյսը:
Fa satria an’ ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
9 Որովհետեւ Աստուած որոշեց մեզ ո՛չ թէ բարկութեան համար, հապա՝ փրկութեան տիրանալու մեր Տէրոջ՝ Յիսուս Քրիստոսի միջոցով:
Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
10 Ան մեռաւ մեզի համար, որպէսզի մենք ապրինք իրեն հետ, արթուն ըլլանք թէ քնացած:
Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
11 Ուստի յորդորեցէ՛ք զիրար եւ շինեցէ՛ք զիրար, ինչպէս արդէն կ՚ընէք:
Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
12 Կը թախանձենք ձեզի, եղբայրնե՛ր, որ ճանչնաք ձեր մէջ աշխատողները, Տէրոջմով վերակացուներն ու ձեզ խրատողները:
Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ ny Tompo ary mananatra anareo,
13 Պատուեցէ՛ք զանոնք մեծ սիրով՝ իրենց գործին համար: Խաղաղութի՛ւն ունեցէք իրարու հետ:
ary mba hohajainareo indrindra amin’ ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
14 Կը յորդորե՛նք ձեզ, եղբայրնե՛ր, խրատեցէ՛ք անկարգները, սփոփեցէ՛ք թուլասիրտները, ձեռնտո՛ւ եղէք տկարներուն, համբերատա՛ր եղէք բոլորին հանդէպ:
Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ ny olona rehetra.
15 Զգուշացէ՛ք, ո՛չ մէկը չարիքի փոխարէն չարիք հատուցանէ ոեւէ մէկուն. հապա՝ ամէն ատեն հետամո՛ւտ եղէք բարիին, թէ՛ ձեր միջեւ, թէ՛ բոլորին հանդէպ:
Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ ny namanareo na amin’ ny olona rehetra.
16 Ամէն ատեն ուրա՛խ եղէք:
Mifalia mandrakariva.
17 Անդադար աղօթեցէ՛ք:
Mivavaha, ka aza mitsahatra.
18 Ամէն բանի մէջ շնորհակա՛լ եղէք, որովհետեւ ա՛յս է Աստուծոյ կամքը ձեզի հանդէպ՝ Քրիստոս Յիսուսով:
Misaora amin’ ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy ho anareo.
19 Մի՛ մարէք Սուրբ Հոգին:
Aza mamono ny Fanahy.
20 Մի՛ անարգէք մարգարէութիւնները:
Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.
21 Քննեցէ՛ք ամէն բան, բարի՛ն ամուր բռնեցէք:
Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
22 Ե՛տ կեցէք ամէն տեսակ չարութենէ:
Fadio ny fanao ratsy rehetra.
23 Նոյնինքն խաղաղութեան Աստուածը ամբողջովին սրբացնէ ձեզ, եւ ձեր հոգին, անձն ու մարմինը ամբողջութեամբ անմեղադրելի պահուին մինչեւ մեր Տէրոջ՝ Յիսուս Քրիստոսի գալուստը:
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ ny fihavian’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
24 Ա՛ն որ կանչեց ձեզ՝ հաւատարիմ է. նաեւ ի՛նք պիտի կատարէ ատիկա:
Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
25 Եղբայրնե՛ր, աղօթեցէ՛ք մեզի համար:
Ry rahalahy, mivavaha ho anay.
26 Բարեւեցէ՛ք բոլոր եղբայրները սուրբ համբոյրով:
Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin’ ny fanorohana masìna.
27 Կը պարտադրեմ՝՝ ձեզ Տէրոջմով, որ կարդաք այս նամակը բոլոր սուրբ եղբայրներուն:
Mampianiana anareo amin’ ny Tompo aho mba hovakina amin’ ny rahalahy rehetra ity epistily ity.
28 Մեր Տէրոջ՝ Յիսուս Քրիստոսի շնորհքը ձեզի հետ: Ամէն:
Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.

< ԱՌԱՋԻՆ ԹԵՍԱՂՈՆԻԿԵՑԻՍ 5 >