< ԱՌԱՋԻՆ ԿՈՐՆԹԱՑԻՍ 9 >

1 Միթէ ես առաքեալ չե՞մ. միթէ ես ազատ չե՞մ. միթէ աչքերովս չտեսա՞յ Յիսուս Քրիստոսը՝ մեր Տէրը. դուք իմ գործս չէ՞ք Տէրոջմով:
Tsy olona afaka va aho? Tsy Apostoly va aho? Tsy efa nahita an’ i Jesosy Tompontsika va aho? Tsy asako ao amin’ ny Tompo va ianareo?
2 Նոյնիսկ եթէ ուրիշներուն առաքեալ չըլլամ, գոնէ ձեզի համար՝ եմ. որովհետեւ իմ առաքելութեանս կնիքը դո՛ւք էք Տէրոջմով:
Raha tsy Apostoly ho an’ ny sasany aza aho, dia Apostoly ho anareo tokoa; fa ianareo no tombo-kase mah’ Apostoly ahy ao amin’ ny Tompo.
3 Սա՛ է իմ ջատագովականս անոնց՝ որ կը հարցաքննեն զիս.
Izany no avaliko izay manadina ahy.
4 «Միթէ մենք իրաւունք չունի՞նք ուտելու եւ խմելու:
Moa tsy mahazo mihinana sy misotro va izahay?
5 Միթէ մենք իրաւունք չունի՞նք Քրիստոսով քոյր եղող կին մը մեզի հետ տանելու, ինչպէս միւս առաքեալները, Տէրոջ եղբայրներն ու Կեփաս կ՚ընեն:
Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan’ ny mino va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny rahalahin’ ny Tompo ary Kefasy?
6 Կամ միայն ես ու Բառնաբա՞ս իրաւունք չունինք աշխատելէ զերծ ըլլալու:
Sa izaho ihany sy Barnabasy no tsy mahazo mitsahatra tsy miasa?
7 Ո՞վ երբեք մարտնչելու կ՚երթայ իր սեփական ծախսով. ո՞վ այգի կը տնկէ եւ անոր պտուղէն չ՚ուտեր. կամ ո՞վ կը հովուէ ու հօտին կաթով չի սնանիր՝՝:
Iza no mandeha manafika ka mivelona amin’ ny haren’ ny tenany? Iza no manao tanim-boaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman’ osy ka tsy mihinana ny rononony?
8 Միթէ մա՞րդկօրէն կ՚ըսեմ այս բաները, կամ արդեօք Օրէնքն ալ նոյնը չ՚ը՞սեր:
Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?
9 Քանի որ Մովսէսի Օրէնքին մէջ գրուած է. «Մի՛ կապեր կալի մէջ աշխատող՝՝ եզին դունչը»: Միթէ Աստուած եզնե՞րը կը հոգայ,
Fa voasoratra eo amin’ ny lalàn’ i Mosesy hoe: Aza manakombona ny vavan’ ny omby mively vary. Ny omby va no ahin’ Andriamanitra?
10 թէ ոչ՝ անշուշտ մեզի՛ համար կ՚ըսէ: Անկասկած մեզի՛ համար գրուած է. որովհետեւ ա՛ն որ կը հերկէ՝ պարտաւոր է յոյսով հերկել, եւ ա՛ն որ կը կամնէ՝ բաժին առնելու յոյսով՝՝:
Sa noho izahay mihitsy no nanaovana izany teny izany? Eny, fa noho izahay indrindra no nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ ny fanantenana, ary izay mively vary dia tokony hively amin’ ny fanantenana hahazo.
11 Եթէ մենք ձեր մէջ հոգեւոր բաներ սերմանեցինք, մե՞ծ բան է՝ եթէ ձեզմէ մարմնաւոր բաներ հնձենք:
Raha izahay namafy izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay anananareo araka ny nofo kosa izahay?
12 Եթէ ուրիշներ բաժին ունին այս իրաւունքին՝ ձեր վրայ, առաւելապէս մե՛նք չունի՞նք. բայց մենք այս իրաւունքը չօգտագործեցինք, հապա ամէն բանի կը դիմանանք, որպէսզի արգելք չըլլանք Քրիստոսի աւետարանին:
Raha ny hafa aza manana izany fahefana izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin’ ny zavatra rehetra, fandrao hisakana ny filazantsaran’ i Kristy.
13 Չէ՞ք գիտեր թէ սուրբ բաներուն պաշտօնեաները՝ տաճարէ՛ն կ՚ուտեն, եւ անոնք որ զոհասեղանին կը սպասաւորեն՝ զոհասեղանէ՛ն բաժին կ՚առնեն:
Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin’ ny zavatra masìna dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin’ ny alitara dia miombona amin’ ny alitara?
14 Նոյնպէս ալ Տէրը պատուիրեց որ աւետարանը հռչակողները՝ աւետարանէն ապրին:
Toy izany koa no nandidian’ ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin’ ny filazantsara.
15 Բայց ես ասոնցմէ ո՛չ մէկը օգտագործեցի, ո՛չ ալ այս բաները գրեցի՝ որ ա՛յդպէս ըլլայ ինծի հանդէպ. որովհետեւ աւելի լաւ է ինծի՝ որ մեռնիմ, քան թէ մէկը իմ պարծանքս ոչնչացնէ:
Nefa tsy nahavatra izany zavatra izany na dia kely akory aza aho; ary tsy manoratra izany aho mba hanaovana izany amiko; fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako.
16 Արդարեւ եթէ աւետարանեմ՝ պարծենալիք ոչինչ ունիմ, որովհետեւ իմ վրաս դրուած հարկ մըն է. մա՛նաւանդ վա՛յ է ինծի՝ եթէ չաւետարանեմ:
Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!
17 Քանի որ եթէ ասիկա կամովին ընեմ, վարձատրութիւն կ՚ունենամ. իսկ եթէ ակամայ՝ այդ ինծի վստահուած տնտեսութիւն մըն է:
Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko, dia natolotra aho ho andraikitro izany.
18 Ուրեմն ի՞նչ է իմ վարձատրութիւնս. այն՝ որ աւետարանելու ատենս ձրի տամ Քրիստոսի աւետարանը, որպէսզի չարաչար չգործածեմ աւետարանէն ստացած իմ իրաւունքս:
Inona ary no valim-pitia azoko? Dia izao: raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefako amin’ ny filazantsara.
19 Քանի որ՝ թէպէտ բոլորէն ազատ էի՝ ես զիս բոլորին ծառայ ըրի, որպէսզի շատերը շահիմ:
Fa na dia afaka amin’ ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon’ ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa.
20 Հրեաներուն հետ Հրեայի պէս եղայ, որպէսզի Հրեաները շահիմ:
Tamin’ ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin’ izay ambanin’ ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin’ ny lalàna aho, na dia tsy ambanin’ ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin’ ny lalàna;
21 Օրէնքի տակ եղողներուն հետ՝ իբր թէ Օրէնքի տակ, (ո՛չ թէ ես Օրէնքի տակ էի, ) որպէսզի Օրէնքի տակ եղողներն ալ շահիմ: Առանց Օրէնքի եղողներուն հետ՝ իբր թէ առանց Օրէնքի, (ո՛չ թէ ես Աստուծմէ օրէնք չունէի, հապա Քրիստոսի օրէնքին տակ էի, ) որպէսզի առանց Օրէնքի եղողներն ալ շահիմ:
tamin’ izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin’ Andriamanitra aho, fa ambanin’ ny lalàn’ i Kristy), mba hahazoako izay tsy manana lalàna;
22 Տկարներուն հետ տկարի պէս եղայ, որպէսզի տկարները շահիմ. բոլորին հետ ամէն ինչ եղայ, որպէսզի ա՛նպայման ոմանք փրկեմ:
tamin’ ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.
23 Եւ ասիկա կ՚ընեմ աւետարանին համար, որ հաղորդակից ըլլամ անոր:
Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.
24 Չէ՞ք գիտեր թէ ասպարէզին մէջ վազողները՝ բոլորը կը վազեն, բայց մէ՛կը կը ստանայ մրցանակը: Ուստի ա՛յնպէս վազեցէք՝ որ ստանա՛ք:
Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.
25 Ո՛վ որ կը մրցի՝ չափաւորութիւն կը պահէ ամէն բանի մէջ. անոնք՝ եղծանելի պսակը ստանալու համար, իսկ մենք՝ անեղծանելին:
Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò.
26 Ուստի ես ա՛յդպէս կը վազեմ, ո՛չ թէ անստուգութեամբ. ես ա՛յդպէս կռփամարտ կ՚ընեմ, ո՛չ թէ հովը ծեծելով.
Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra;
27 բայց կը ճնշեմ ու կը նուաճեմ մարմինս, որպէսզի՝ ուրիշներուն քարոզելէ ետք՝ ես ինքս խոտելի չըլլամ:
fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.

< ԱՌԱՋԻՆ ԿՈՐՆԹԱՑԻՍ 9 >