< ԱՌԱՋԻՆ ԿՈՐՆԹԱՑԻՍ 2 >

1 Ու ես, եղբայրնե՛ր, երբ եկայ ձեզի, չեկայ խօսքի կամ իմաստութեան գերազանցութեամբ՝ հռչակելու ձեզի Աստուծոյ վկայութիւնը.
Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra.
2 որովհետեւ որոշեցի ուրիշ որեւէ բան չգիտնալ ձեր մէջ, բայց միայն Յիսուս Քրիստոսը, եւ զայն՝ խաչուած:
Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana;
3 Ես ձեզի հետ եղայ տկարութեամբ, ահով ու շատ դողով.
ary izaho, raha tany aminareo, dia azon’ ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;
4 եւ իմ խօսքս ու քարոզութիւնս՝ ո՛չ թէ մարդկային իմաստութեան համոզիչ խօսքերով էին, հապա՝ Հոգիին եւ զօրութեան ապացոյցով.
ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ ny teny fahendrena mahataona, fa tamin’ ny fanehoan’ ny Fanahy sy ny hery,
5 որպէսզի ձեր հաւատքը ըլլայ ո՛չ թէ մարդոց իմաստութեամբ, հապա՝ Աստուծոյ զօրութեամբ:
mba tsy niorenan’ ny finoanareo amin’ ny fahendren’ ny olona, fa amin’ ny herin’ Andriamanitra ihany.
6 Սակայն կատարեալներուն կը խօսինք իմաստութեան մասին. բայց ո՛չ այս աշխարհի, ո՛չ ալ այս աշխարհի ոչնչացող իշխաններուն իմաստութեան մասին, (aiōn g165)
Anefa milaza fahendrena amin’ ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren’ izao tontolo izao, na ny an’ ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona; (aiōn g165)
7 հապա՝ Աստուծո՛յ խորհրդաւոր եւ ծածկուած իմաստութեան մասին կը խօսինք, որ Աստուած դարերէն առաջ սահմանեց մեր փառքին համար: (aiōn g165)
fa milaza ny fahendren’ Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’ Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ ny nanaovana izao tontolo izao; (aiōn g165)
8 Այս աշխարհի իշխաններէն ո՛չ մէկը ճանչցաւ զայն. քանի որ եթէ ճանչցած ըլլային, չէին խաչեր փառքի Տէրը: (aiōn g165)
ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana ny Tompon’ ny voninahitra. (aiōn g165)
9 Բայց ինչպէս գրուած է. «Աչք չէ տեսեր, ականջ չէ լսեր, ո՛չ ալ մարդու սիրտին մէջ մտեր են այն բաները, որ Աստուած պատրաստած է զինք սիրողներուն»:
Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan’ ny maso ary tsy mbola ren’ ny sofina, na niditra tao am-pon’ ny olona, na inona na inona no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’ izay tia Azy,
10 Սակայն Աստուած զանոնք յայտնած է մեզի իր Հոգիով, որովհետեւ Հոգին կը զննէ բոլոր բաները, մինչեւ անգամ Աստուծոյ խորունկ բաները:
dia isika no nanambaran’ Andriamanitra izany tamin’ ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’ Andriamanitra aza.
11 Արդարեւ ո՞վ գիտէ մարդուն բաները, բայց միայն մարդուն հոգին՝ որ իր մէջն է. նոյնպէս ալ ո՛չ մէկը գիտէ Աստուծոյ բաները, այլ միայն Աստուծոյ Հոգին:
Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon’ olona, afa-tsy ny fanahin’ ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon’ Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra ihany.
12 Իսկ մենք ստացանք ո՛չ թէ այս աշխարհի հոգին, հապա այն Հոգին՝ որ Աստուծմէ է. որպէսզի մենք գիտնանք այն բաները՝ որ Աստուած շնորհեց մեզի.
Fa isika tsy nandray ny fanahin’ izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’ Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’ Andriamanitra antsika.
13 նաեւ անոնց մասին կը խօսինք, ո՛չ թէ այն խօսքերով՝ որ մարդկային իմաստութիւնը կը սորվեցնէ, հապա Հոգիին սորվեցուցածներով, համեմատելով հոգեւոր բաները հոգեւորի հետ:
Izany koa no lazainay, tsy amin’ ny teny ampianarin’ ny fahendren’ olona fa amin’ ny teny ampianarin’ ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin’ izay olona araka ny Fanahy izahay.
14 Իսկ շնչաւոր մարդը չ՚ընդունիր Աստուծոյ Հոգիին բաները, որովհետեւ անոնք իրեն համար յիմարութիւն են, ո՛չ ալ կրնայ հասկնալ, քանի որ կը զննուին հոգեւոր կերպով:
Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’ Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
15 Բայց ա՛ն որ հոգեւոր է՝ կը զննէ ամէն բան, սակայն ինք կը զննուի ո՛չ մէկէն:
Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin’ olona.
16 Որովհետեւ ո՞վ գիտցաւ Տէրոջ միտքը, որ սորվեցնէ անոր. բայց մենք ունինք Քրիստոսի միտքը:
Fa iza no nahafantatra ny sain’ ny Tompo mba hampianatra Azy? Fa izahay manana ny sain’ i Kristy.

< ԱՌԱՋԻՆ ԿՈՐՆԹԱՑԻՍ 2 >