< ԱՌԱՋԻՆ ԿՈՐՆԹԱՑԻՍ 10 >

1 Եղբայրնե՛ր, չեմ ուզեր որ անգիտանաք թէ մեր հայրերը՝ բոլո՛րն ալ ամպին տակ էին, բոլո՛րն ալ ծովէն անցան,
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin’ ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,
2 ու բոլո՛րն ալ Մովսէսով մկրտուեցան ամպին եւ ծովուն մէջ:
ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’ i Mosesy tao amin’ ny rahona sy ny ranomasina,
3 Բոլո՛րն ալ կերան նոյն հոգեւոր կերակուրը,
ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,
4 ու բոլո՛րն ալ խմեցին նոյն հոգեւոր խմելիքը, որովհետեւ կը խմէին այն հոգեւոր վէմէն՝ որ իրենց կը հետեւէր, եւ այդ վէմը՝ Քրիստոսն էր:
ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.
5 Բայց անոնցմէ շատերը հաճելի չեղան Աստուծոյ, քանի որ անապատին մէջ փռուած ինկան:
Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak’ Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.
6 Ուրեմն այդ բաները մեզի տիպար եղան, որպէսզի չցանկանք չար բաներու, ինչպէս անոնք ցանկացին:
Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan’ ireny.
7 Ո՛չ ալ կռապաշտ ըլլաք՝ անոնցմէ ոմանց պէս, ինչպէս գրուած է. «Ժողովուրդը նստաւ ուտելու եւ խմելու, յետոյ կանգնեցան զբօսնելու»:
Ary aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo tahaka ny sasany amin’ ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao.
8 Ո՛չ ալ պոռնկինք՝ ինչպէս անոնցմէ ոմանք պոռնկեցան, ու մէկ օրուան մէջ քսաներեք հազար հոգի ինկան:
Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.
9 Ո՛չ ալ փորձենք Քրիստոսը՝ ինչպէս անոնցմէ ոմանք փորձեցին, եւ օձերէն ջարդուեցան:
Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ ny sasany tamin’ ireny fanahy Azy, ka matin’ ny menarana ireny.
10 Ո՛չ ալ տրտնջեցէք՝ ինչպէս անոնցմէ ոմանք տրտնջեցին, ու ջարդուեցան բնաջնջողէն:
Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin’ ireny, izay matin’ ny mpandringana.
11 Իսկ այդ բոլոր բաները կը պատահէին անոնց՝ իբր տիպար, եւ գրուեցան խրատելու համար մեզ՝ որ հասած ենք դարերու վախճանին: (aiōn g165)
Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ ny faran’ izao tontolo izao. (aiōn g165)
12 Հետեւաբար ա՛ն որ կը կարծէ թէ հաստատուն կեցած է, թող զգուշանայ՝ որ չիյնայ:
Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.
13 Ձեզի պատահած չէ փորձութիւն մը՝ որ մարդկային չըլլայ. բայց Աստուած հաւատարիմ է, եւ պիտի չթոյլատրէ որ փորձուիք ձեր կարողութենէն աւելի, հապա փորձութեան հետ ելք մըն ալ պիտի տայ, որպէսզի կարենաք կրել:
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
14 Ուստի, սիրելինե՛րս, փախէ՛ք կռապաշտութենէն:
Koa amin’ izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.
15 Կը խօսիմ որպէս թէ իմաստուններու հետ. դո՛ւք դատեցէք ինչ որ կ՚ըսեմ:
Miteny toy ny amin’ ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.
16 Օրհնութեան բաժակը՝ որ մենք կ՚օրհնենք, միթէ Քրիստոսի արիւնին հաղորդութիւնը չէ՞. հացը՝ որ մենք կը կտրենք, միթէ Քրիստոսի մարմինին հաղորդութիւնը չէ՞:
Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ ny ran’ i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ ny tenan’ i Kristy va izany?
17 Արդարեւ մենք՝ շատ ըլլալով՝ մէ՛կ հաց, մէ՛կ մարմին ենք, որովհետեւ բոլորս ալ բաժնեկից ենք այդ մէկ հացին:
Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’ izany mofo iray izany avokoa.
18 Նայեցէ՛ք մարմնաւոր Իսրայէլին. անոնք որ զոհերէն կ՚ուտեն՝ զոհասեղանին հաղորդակից չե՞ն ըլլար:
Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin’ ny alitara va?
19 Ուրեմն ի՞նչ կ՚ըսեմ. կուռքը բա՞ն մըն է, կամ կուռքերու զոհուածը բա՞ն մըն է:
Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin’ ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy?
20 Բայց սա՛ կ՚ըսեմ, թէ այն բաները՝ որ հեթանոսները կը զոհեն, կը զոհեն դեւերո՛ւն, եւ ո՛չ թէ Աստուծոյ. ուստի չեմ ուզեր որ դուք հաղորդակից ըլլաք դեւերուն: Չէք կրնար խմել Տէրոջ բաժակը ու դեւերուն բաժակը.
Tsia, fa izay zavatra aterin’ ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ ny demonia, fa tsy amin’ Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin’ ny demonia ianareo.
21 չէք կրնար բաժնեկցիլ Տէրոջ սեղանին եւ դեւերու սեղանին:
Tsy mahazo misotro amin’ ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin’ ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo.
22 Նախանձի՞ գրգռենք Տէրը. միթէ մենք իրմէ ուժե՞ղ ենք:
Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
23 Ամէն բան ինծի արտօնուած է, բայց ամէն բան օգտակար չէ. ամէն բան ինծի արտօնուած է, բայց ամէն բան շինիչ չէ:
Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
24 Ո՛չ մէկը թող փնտռէ միայն իր շահը, հապա ամէն մէկը՝ ուրիշի՛նն ալ:
Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
25 Կերէ՛ք ամէն ինչ որ կը ծախուի վաճառանոցը, առանց զննելու՝ խղճմտանքի պատճառով.
Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;
26 որովհետեւ «Տէրոջն է երկիրը եւ անոր լիութիւնը»:
fa an’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.
27 Եթէ անհաւատներէն մէկը ճաշի հրաւիրէ ձեզ ու տրամադիր ըլլաք երթալու, կերէ՛ք ամէն ինչ՝ որ կը հրամցուի ձեզի, առանց հարցնելու՝ խղճմտանքի պատճառով:
Ary raha misy amin’ ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha ianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.
28 Բայց եթէ մէկը ըսէ ձեզի. «Ատիկա կուռքերու զոհուած է», անո՛ր պատճառով՝ որ ցոյց տուաւ ձեզի, եւ խղճմտանքի՛ պատճառով՝ մի՛ ուտէք:
Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin’ ny sampy io, dia aza homana noho ny amin’ ilay nilaza sy ny fieritreretana.
29 Սակայն երբ խղճմտանք կ՚ըսեմ՝ ո՛չ թէ քուկդ է, հապա՝ ուրիշինը: Բայց ինչո՞ւ իմ ազատութիւնս կը դատուի ուրիշի մը խղճմտանքէն:
Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an’ ny tenanano, fa ny an’ ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain’ ny fieritreretan’ ny olon-kafa?
30 Եթէ ես շնորհակալութեամբ կը բաժնեկցիմ, ինչո՞ւ հայհոյուիմ այն բանին պատճառով՝ որուն համար ես շնորհակալ կ՚ըլլամ:
Fa raha amin’ ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin’ izay anaovako fisaorana?
31 Ուրեմն՝ թէ՛ ուտէք, թէ՛ խմէք, եւ թէ ի՛նչ որ ընէք, ամէնը ըրէք Աստուծոյ փառքին համար:
Koa amin’ izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra izany rehetra izany.
32 Մի՛ սայթաքեցնէք ո՛չ Հրեաները, ո՛չ Յոյները, ո՛չ ալ Աստուծոյ եկեղեցին:
Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’ Andriamanitra,
33 Ինչպէս ես ալ կը հաճեցնեմ բոլորը՝ ամէն բանի մէջ, փնտռելով ո՛չ թէ իմ օգուտս, հապա՝ շատերունը, որպէսզի փրկուին:
dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.

< ԱՌԱՋԻՆ ԿՈՐՆԹԱՑԻՍ 10 >