< أَيُّوبَ 8 >

فَأَجَابَ بِلْدَدُ ٱلشُّوحِيُّ وَقَالَ: ١ 1
Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
«إِلَى مَتَى تَقُولُ هَذَا، وَتَكُونُ أَقْوَالُ فِيكَ رِيحًا شَدِيدَةً؟ ٢ 2
Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
هَلِ ٱللهُ يُعَوِّجُ ٱلْقَضَاءَ، أَوِ ٱلْقَدِيرُ يَعْكِسُ ٱلْحَقَّ؟ ٣ 3
Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
إِذْ أَخْطَأَ إِلَيْهِ بَنُوكَ، دَفَعَهُمْ إِلَى يَدِ مَعْصِيَتِهِمْ. ٤ 4
Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
فَإِنْ بَكَّرْتَ أَنْتَ إِلَى ٱللهِ وَتَضَرَّعْتَ إِلَى ٱلْقَدِيرِ، ٥ 5
Fa raha ianao kosa mandroso mitady an’ Andriamanitra ka mifona amin’ ny Tsitoha.
إِنْ كُنْتَ أَنْتَ زَكِيًّا مُسْتَقِيمًا، فَإِنَّهُ ٱلْآنَ يَتَنَبَّهُ لَكَ وَيُسْلِمُ مَسْكَنَ بِرِّكَ. ٦ 6
Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan’ ny fahamarinanao,
وَإِنْ تَكُنْ أُولَاكَ صَغِيرَةً فَآخِرَتُكَ تَكْثُرُ جِدًّا. ٧ 7
Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
«اِسْأَلِ ٱلْقُرُونَ ٱلْأُولَى وَتَأَكَّدْ مَبَاحِثَ آبَائِهِمْ، ٨ 8
Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan’ ny razany
لِأَنَّنَا نَحْنُ مِنْ أَمْسٍ وَلَا نَعْلَمُ، لِأَنَّ أَيَّامَنَا عَلَى ٱلْأَرْضِ ظِلٌّ. ٩ 9
(Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin’ ny tany);
فَهَلَّا يُعْلِمُونَكَ؟ يَقُولُونَ لَكَ، وَمِنْ قُلُوبِهِمْ يُخْرِجُونَ أَقْوَالًا قَائِلِينَ: ١٠ 10
Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
هَلْ يَنْمِي ٱلْبَرْدِيُّ فِي غَيْرِ ٱلْغَمَقَةِ، أَوْ تَنْبُتُ ٱلْحَلْفَاءُ بِلَا مَاءٍ؟ ١١ 11
Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin’ ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?
وَهُوَ بَعْدُ فِي نَضَارَتِهِ لَمْ يُقْطَعْ، يَيْبَسُ قَبْلَ كُلِّ ٱلْعُشْبِ. ١٢ 12
Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan’ ny zava-maitso rehetra.
هَكَذَا سُبُلُ كُلِّ ٱلنَّاسِينَ ٱللهَ، وَرَجَاءُ ٱلْفَاجِرِ يَخِيبُ، ١٣ 13
Toy izany no lalan’ izay rehetra manadino an’ Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy,
فَيَنْقَطِعُ ٱعْتِمَادُهُ، وَمُتَّكَلُهُ بَيْتُ ٱلْعَنْكَبُوتِ! ١٤ 14
Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
يَسْتَنِدُ إِلَى بَيْتِهِ فَلَا يَثْبُتُ. يَتَمَسَّكُ بِهِ فَلَا يَقُومُ. ١٥ 15
Miankina amin’ ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.
هُوَ رَطْبٌ تُجَاهَ ٱلشَّمْسِ وَعَلَى جَنَّتِهِ تَنْبُتُ خَرَاعِيبُهُ. ١٦ 16
Mitsimoka tsara tandrifin’ ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin’ ny tanimboliny;
وَأُصُولُهُ مُشْتَبِكَةٌ فِي ٱلرُّجْمَةِ، فَتَرَى مَحَلَّ ٱلْحِجَارَةِ. ١٧ 17
Mifelipelika mifaniditra eo amin’ ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
إِنِ ٱقْتَلَعَهُ مِنْ مَكَانِهِ، يَجْحَدُهُ قَائِلًا: مَا رَأَيْتُكَ! ١٨ 18
Kanjo nony fongorany hiala amin’ ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
هَذَا هُوَ فَرَحُ طَرِيقِهِ، وَمِنَ ٱلتُّرَابِ يَنْبُتُ آخَرُ. ١٩ 19
Indro, izany ihany no fifalian’ ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin’ ny vovoka.
«هُوَذَا ٱللهُ لَا يَرْفُضُ ٱلْكَامِلَ، وَلَا يَأْخُذُ بِيَدِ فَاعِلِي ٱلشَّرِّ. ٢٠ 20
Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
عِنْدَمَا يَمْلَأُ فَاكَ ضَحِكًا، وَشَفَتَيْكَ هُتَافًا، ٢١ 21
Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.
يَلْبَسُ مُبْغِضُوكَ خِزْيًا، أَمَّا خَيْمَةُ ٱلْأَشْرَارِ فَلَا تَكُونُ». ٢٢ 22
Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain’ ny ratsy fanahy.

< أَيُّوبَ 8 >