< حِزْقِيَال 18 >

وَكَانَ إِلَيَّ كَلَامُ ٱلرَّبِّ قَائِلًا: ١ 1
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
«مَا لَكُمْ أَنْتُمْ تَضْرِبُونَ هَذَا ٱلْمَثَلَ عَلَى أَرْضِ إِسْرَائِيلَ، قَائِلِينَ: ٱلْآبَاءُ أَكَلُوا ٱلْحِصْرِمَ وَأَسْنَانُ ٱلْأَبْنَاءِ ضَرِسَتْ؟ ٢ 2
Nahoana no manao izao ohabolana izao ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely ianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ ny zanany no madilo?
حَيٌّ أَنَا، يَقُولُ ٱلسَّيِّدُ ٱلرَّبُّ، لَا يَكُونُ لَكُمْ مِنْ بَعْدُ أَنْ تَضْرِبُوا هَذَا ٱلْمَثَلَ فِي إِسْرَائِيلَ. ٣ 3
Rana velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany ao amin’ ny Isiraely intsony.
هَا كُلُّ ٱلنُّفُوسِ هِيَ لِي. نَفْسُ ٱلْأَبِ كَنَفْسِ ٱلِٱبْنِ، كِلَاهُمَا لِي. اَلنَّفْسُ ٱلَّتِي تُخْطِئُ هِيَ تَمُوتُ. ٤ 4
Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin’ ny ray, dia toy izany koa ny fanahin’ ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.
وَٱلْإِنْسَانُ ٱلَّذِي كَانَ بَارًّا وَفَعَلَ حَقًّا وَعَدْلًا، ٥ 5
Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,
لَمْ يَأْكُلْ عَلَى ٱلْجِبَالِ وَلَمْ يَرْفَعْ عَيْنَيْهِ إِلَى أَصْنَامِ بَيْتِ إِسْرَائِيلَ، وَلَمْ يُنَجِّسِ ٱمْرَأَةَ قَرِيبِهِ، وَلَمْ يَقْرُبِ ٱمْرَأَةً طَامِثًا، ٦ 6
fa tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampin’ ny taranak’ Isiraely, na mandoto ny vadin’ ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin’ ny fadim-bolana,
وَلَمْ يَظْلِمْ إِنْسَانًا، بَلْ رَدَّ لِلْمَدْيُونِ رَهْنَهُ، وَلَمْ يَغْتَصِبِ ٱغْتِصَابًا بَلْ بَذَلَ خُبْزَهُ لِلْجَوْعَانِ، وَكَسَا ٱلْعُرْيَانَ ثَوْبًا، ٧ 7
na mampahory olona, fa mamerina ny natao tsatòka, ary tsy mandroba, fa manome ny haniny ho an’ ny noana ary manafy lamba ny matanjaka,
وَلَمْ يُعْطِ بِٱلرِّبَا، وَلَمْ يَأْخُذْ مُرَابَحَةً، وَكَفَّ يَدَهُ عَنِ ٱلْجَوْرِ، وَأَجْرَى ٱلْعَدْلَ ٱلْحَقَّ بَيْنَ ٱلْإِنْسَانِ وَٱلْإِنْسَانِ، ٨ 8
tsy mampanàna vola, na maka tombony akory, fa miaro ny tanany tsy hanao ratsy ary manao fitsarana marina amin’ ny miady,
وَسَلَكَ فِي فَرَائِضِي وَحَفِظَ أَحْكَامِي لِيَعْمَلَ بِٱلْحَقِّ فَهُوَ بَارٌّ. حَيَاةً يَحْيَا، يَقُولُ ٱلسَّيِّدُ ٱلرَّبُّ. ٩ 9
ary mandeha araka ny lalàko sy ny mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy i; Jehovah Tompo.
«فَإِنْ وَلَدَ ٱبْنًا مُعْتَنِفًا سَفَّاكَ دَمٍ، فَفَعَلَ شَيْئًا مِنْ هَذِهِ، ١٠ 10
Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany amin’ ireo zavatra ireo aza iny
وَلَمْ يَفْعَلْ كُلَّ تِلْكَ، بَلْ أَكَلَ عَلَى ٱلْجِبَالِ، وَنَجَّسَ ٱمْرَأَةَ قَرِيبِهِ، ١١ 11
(nefa tsy nanao ireo zavatra ireo akory ny tenany), na mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin’ ny namany,
وَظَلَمَ ٱلْفَقِيرَ وَٱلْمِسْكِينَ، وَٱغْتَصَبَ ٱغْتِصَابًا، وَلَمْ يَرُدَّ ٱلرَّهْنَ، وَقَدْ رَفَعَ عَيْنَيْهِ إِلَى ٱلْأَصْنَامِ وَفَعَلَ ٱلرِّجْسَ، ١٢ 12
na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao tsatòka, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampy ka manao izay fahavetavetana,
وَأَعْطَى بِٱلرِّبَا وَأَخَذَ ٱلْمُرَابَحَةَ، أَفَيَحْيَا؟ لَا يَحْيَا! قَدْ عَمِلَ كُلَّ هَذِهِ ٱلرَّجَاسَاتِ فَمَوْتًا يَمُوتُ. دَمُهُ يَكُونُ عَلَى نَفْسِهِ. ١٣ 13
na mampanana vola, na maka tombony moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy, ary ny ràny dia ho aminy ihany.
«وَإِنْ وَلَدَ ٱبْنًا رَأَى جَمِيعَ خَطَايَا أَبِيهِ ٱلَّتِي فَعَلَهَا، فَرَآهَا وَلَمْ يَفْعَلْ مِثْلَهَا. ١٤ 14
Ary, indro, raha iny kosa indray miteraka zazalahy, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy, nefa nony mahita izany izy, dia tsy mba manao tahaka izany,
لَمْ يَأْكُلْ عَلَى ٱلْجِبَالِ، وَلَمْ يَرْفَعْ عَيْنَيْهِ إِلَى أَصْنَامِ بَيْتِ إِسْرَائِيلَ، وَلَا نَجَّسَ ٱمْرَأَةَ قَرِيبِهِ، ١٥ 15
ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampin’ ny taranak’ Isiraely, na mandoto ny vadin’ ny namany,
وَلَا ظَلَمَ إِنْسَانًا، وَلَا ٱرْتَهَنَ رَهْنًا، وَلَا ٱغْتَصَبَ ٱغْتِصَابًا، بَلْ بَذَلَ خُبْزَهُ لِلْجَوْعَانِ، وَكَسَا ٱلْعُرْيَانَ ثَوْبًا ١٦ 16
na mampahory olona, na maka tsatòka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an’ ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,
وَرَفَعَ يَدَهُ عَنِ ٱلْفَقِيرِ، وَلَمْ يَأْخُذْ رِبًا وَلَا مُرَابَحَةً، بَلْ أَجْرَى أَحْكَامِي وَسَلَكَ فِي فَرَائِضِي، فَإِنَّهُ لَا يَمُوتُ بِإِثْمِ أَبِيهِ. حَيَاةً يَحْيَا. ١٧ 17
miaro ny tànany tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanana vola, na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny lalàko, dia tsy ho faty noho ny helo-drainy izy; ho velona tokoa izy.
أَمَّا أَبُوهُ فَلِأَنَّهُ ظَلَمَ ظُلْمًا، وَٱغْتَصَبَ أَخَاهُ ٱغْتِصَابًا، وَعَمِلَ غَيْرَ ٱلصَّالِحِ بَيْنَ شَعْبِهِ، فَهُوَذَا يَمُوتُ بِإِثْمِهِ. ١٨ 18
Ny amin’ ny rainy, noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin’ ny fireneny, dia, indro, ho faty noho ny helony izy.
«وَأَنْتُمْ تَقُولُونَ: لِمَاذَا لَا يَحْمِلُ ٱلِٱبْنُ مِنْ إِثْمِ ٱلْأَبِ؟ أَمَّا ٱلِٱبْنُ فَقَدْ فَعَلَ حَقًّا وَعَدْلًا. حَفِظَ جَمِيعَ فَرَائِضِي وَعَمِلَ بِهَا فَحَيَاةً يَحْيَا. ١٩ 19
Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho velona tokoa izy.
اَلنَّفْسُ ٱلَّتِي تُخْطِئُ هِيَ تَمُوتُ. اَلِٱبْنُ لَا يَحْمِلُ مِنْ إِثْمِ ٱلْأَبِ، وَٱلْأَبُ لَا يَحْمِلُ مِنْ إِثْمِ ٱلِٱبْنِ. بِرُّ ٱلْبَارِّ عَلَيْهِ يَكُونُ، وَشَرُّ ٱلشِّرِّيرِ عَلَيْهِ يَكُونُ. ٢٠ 20
Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan’ ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian’ ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.
فَإِذَا رَجَعَ ٱلشِّرِّيرُ عَنْ جَمِيعِ خَطَايَاهُ ٱلَّتِي فَعَلَهَا وَحَفِظَ كُلَّ فَرَائِضِي وَفَعَلَ حَقًّا وَعَدْلًا فَحَيَاةً يَحْيَا. لَا يَمُوتُ. ٢١ 21
Fa raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
كُلُّ مَعَاصِيهِ ٱلَّتِي فَعَلَهَا لَا تُذْكَرُ عَلَيْهِ. فِي بِرِّهِ ٱلَّذِي عَمِلَ يَحْيَا. ٢٢ 22
Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.
هَلْ مَسَرَّةً أُسَرُّ بِمَوْتِ ٱلشِّرِّيرِ؟ يَقُولُ ٱلسَّيِّدُ ٱلرَّبُّ. أَلَا بِرُجُوعِهِ عَنْ طُرُقِهِ فَيَحْيَا؟ ٢٣ 23
Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ ny alehany mba ho velona izy?
وَإِذَا رَجَعَ ٱلْبَارُّ عَنْ بِرِّهِ وَعَمِلَ إِثْمًا وَفَعَلَ مِثْلَ كُلِّ ٱلرَّجَاسَاتِ ٱلَّتِي يَفْعَلُهَا ٱلشِّرِّيرُ، أَفَيَحْيَا؟ كُلُّ بِرِّهِ ٱلَّذِي عَمِلَهُ لَا يُذْكَرُ. فِي خِيَانَتِهِ ٱلَّتِي خَانَهَا وَفِي خَطِيَّتِهِ ٱلَّتِي أَخْطَأَ بِهَا يَمُوتُ. ٢٤ 24
Fa raha ny marina no miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon’ ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy.
«وَأَنْتُمْ تَقُولُونَ: لَيْسَتْ طَرِيقُ ٱلرَّبِّ مُسْتَوِيَةً. فَٱسْمَعُوا ٱلْآنَ يَا بَيْتَ إِسْرَائِيلَ: أَطَرِيقِي هِيَ غَيْرُ مُسْتَوِيَةٍ؟ أَلَيْسَتْ طُرُقُكُمْ غَيْرَ مُسْتَوِيَةٍ؟ ٢٥ 25
Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak’ Isiraely: Moa ny fitondrako va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?
إِذَا رَجَعَ ٱلْبَارُّ عَنْ بِرِّهِ وَعَمِلَ إِثْمًا وَمَاتَ فِيهِ، فَبِإِثْمِهِ ٱلَّذِي عَمِلَهُ يَمُوتُ. ٢٦ 26
Raha ny marina miala amin’ ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin’ izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.
وَإِذَا رَجَعَ ٱلشِّرِّيرُ عَنْ شَرِّهِ ٱلَّذِي فَعَلَ، وَعَمِلَ حَقًّا وَعَدْلًا، فَهُوَ يُحْيِي نَفْسَهُ. ٢٧ 27
Ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny.
رَأَى فَرَجَعَ عَنْ كُلِّ مَعَاصِيهِ ٱلَّتِي عَمِلَهَا فَحَيَاةً يَحْيَا. لَا يَمُوتُ. ٢٨ 28
Raha mahita izy ka miala amin’ ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
وَبَيْتُ إِسْرَائِيلَ يَقُولُ: لَيْسَتْ طَرِيقُ ٱلرَّبِّ مُسْتَوِيَةً. أَطُرُقِي غَيْرُ مُسْتَقِيمَةٍ يَا بَيْتَ إِسْرَائِيلَ؟ أَلَيْسَتْ طُرُقُكُمْ غَيْرَ مُسْتَقِيمَةٍ؟ ٢٩ 29
Nefa hoy ny taranak’ Isiraely: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo. Ry taranak’ Isiraely, ny fitondrako va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?
مِنْ أَجْلِ ذَلِكَ أَقْضِي عَلَيْكُمْ يَا بَيْتَ إِسْرَائِيلَ، كُلِّ وَاحِدٍ كَطُرُقِهِ، يَقُولُ ٱلسَّيِّدُ ٱلرَّبُّ. تُوبُوا وَٱرْجِعُوا عَنْ كُلِّ مَعَاصِيكُمْ، وَلَا يَكُونُ لَكُمُ ٱلْإِثْمُ مَهْلَكَةً. ٣٠ 30
Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin’ ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
اِطْرَحُوا عَنْكُمْ كُلَّ مَعَاصِيكُمُ ٱلَّتِي عَصَيْتُمْ بِهَا، وَٱعْمَلُوا لِأَنْفُسِكُمْ قَلْبًا جَدِيدًا وَرُوحًا جَدِيدَةً. فَلِمَاذَا تَمُوتُونَ يَا بَيْتَ إِسْرَائِيلَ؟ ٣١ 31
Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’ Isiraely?
لِأَنِّي لَا أُسَرُّ بِمَوْتِ مَنْ يَمُوتُ، يَقُولُ ٱلسَّيِّدُ ٱلرَّبُّ، فَٱرْجِعُوا وَٱحْيَوْا. ٣٢ 32
Fa tsy sitrako ny fahafatesan’ izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin’ ireo lehiben’ ny Isiraely.

< حِزْقِيَال 18 >