< صَمُوئِيلَ ٱلْأَوَّلُ 8 >

وَكَانَ لَمَّا شَاخَ صَمُوئِيلُ أَنَّهُ جَعَلَ بَنِيهِ قُضَاةً لِإِسْرَائِيلَ. ١ 1
Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely.
وَكَانَ ٱسْمُ ٱبْنِهِ ٱلْبِكْرِ يُوئِيلَ، وَٱسْمُ ثَانِيهِ أَبِيَّا. كَانَا قَاضِيَيْنِ فِي بِئْرِ سَبْعٍ. ٢ 2
Ary Joela no anaran’ ny lahimatoany, ary Abia no anaran’ ny faralahiny; mpitsara tany Beri-sheba izy ireo.
وَلَمْ يَسْلُكِ ٱبْنَاهُ فِي طَرِيقِهِ، بَلْ مَالَا وَرَاءَ ٱلْمَكْسَبِ، وَأَخَذَا رَشْوَةً وَعَوَّجَا ٱلْقَضَاءَ. ٣ 3
Nefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra.
فَٱجْتَمَعَ كُلُّ شُيُوخِ إِسْرَائِيلَ وَجَاءُوا إِلَى صَمُوئِيلَ إِلَى ٱلرَّامَةِ ٤ 4
Ary ny loholon’ ny Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin’ i Samoela
وَقَالُوا لَهُ: «هُوَذَا أَنْتَ قَدْ شِخْتَ، وَٱبْنَاكَ لَمْ يَسِيرَا فِي طَرِيقِكَ. فَٱلْآنَ ٱجْعَلْ لَنَا مَلِكًا يَقْضِي لَنَا كَسَائِرِ ٱلشُّعُوبِ». ٥ 5
ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra.
فَسَاءَ ٱلْأَمْرُ فِي عَيْنَيْ صَمُوئِيلَ إِذْ قَالُوا: «أَعْطِنَا مَلِكًا يَقْضِي لَنَا». وَصَلَّى صَمُوئِيلُ إِلَى ٱلرَّبِّ. ٦ 6
Fa tsy sitrak’ i Samoela ny nanaovan’ ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin’ i Jehovah Samoela.
فَقَالَ ٱلرَّبُّ لِصَمُوئِيلَ: «ٱسْمَعْ لِصَوْتِ ٱلشَّعْبِ فِي كُلِّ مَا يَقُولُونَ لَكَ، لِأَنَّهُمْ لَمْ يَرْفُضُوكَ أَنْتَ بَلْ إِيَّايَ رَفَضُوا حَتَّى لَا أَمْلِكَ عَلَيْهِمْ. ٧ 7
Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Henoy ihany ny tenin’ ny olona amin’ izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.
حَسَبَ كُلِّ أَعْمَالِهِمِ ٱلَّتِي عَمِلُوا مِنْ يَوْمِ أَصْعَدْتُهُمْ مِنْ مِصْرَ إِلَى هَذَا ٱلْيَوْمِ وَتَرَكُونِي وَعَبَدُوا آلِهَةً أُخْرَى، هَكَذَا هُمْ عَامِلُونَ بِكَ أَيْضًا. ٨ 8
Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao.
فَٱلْآنَ ٱسْمَعْ لِصَوْتِهِمْ. وَلَكِنْ أَشْهِدَنَّ عَلَيْهِمْ وَأَخْبِرْهُمْ بِقَضَاءِ ٱلْمَلِكِ ٱلَّذِي يَمْلِكُ عَلَيْهِمْ». ٩ 9
Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon’ ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
فَكَلَّمَ صَمُوئِيلُ ٱلشَّعْبَ ٱلَّذِينَ طَلَبُوا مِنْهُ مَلِكًا بِجَمِيعِ كَلَامِ ٱلرَّبِّ، ١٠ 10
Dia nambaran’ i Samoela tamin’ ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain’ i Jehovah.
وَقَالَ: «هَذَا يَكُونُ قَضَاءُ ٱلْمَلِكِ ٱلَّذِي يَمْلِكُ عَلَيْكُمْ: يَأْخُذُ بَنِيكُمْ وَيَجْعَلُهُمْ لِنَفْسِهِ، لِمَرَاكِبِهِ وَفُرْسَانِهِ، فَيَرْكُضُونَ أَمَامَ مَرَاكِبِهِ. ١١ 11
Ary hoy izy: Izao no ho fanaon’ ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin’ ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan’ ny kalesiny,
وَيَجْعَلُ لِنَفْسِهِ رُؤَسَاءَ أُلُوفٍ وَرُؤَسَاءَ خَمَاسِينَ، فَيَحْرُثُونَ حَرَاثَتَهُ وَيَحْصُدُونَ حَصَادَهُ، وَيَعْمَلُونَ عُدَّةَ حَرْبِهِ وَأَدَوَاتِ مَرَاكِبِهِ. ١٢ 12
ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;
وَيَأْخُذُ بَنَاتِكُمْ عَطَّارَاتٍ وَطَبَّاخَاتٍ وَخَبَّازَاتٍ. ١٣ 13
ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo;
وَيَأْخُذُ حُقُولَكُمْ وَكُرُومَكُمْ وَزَيْتُونَكُمْ، أَجْوَدَهَا وَيُعْطِيهَا لِعَبِيدِهِ. ١٤ 14
ary ny tsara indrindra amin’ ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin’ olivanareo dia halainy ka homeny ho an’ ny mpanompony;
وَيُعَشِّرُ زُرُوعَكُمْ وَكُرُومَكُمْ، وَيُعْطِي لِخِصْيَانِهِ وَعَبِيدِهِ. ١٥ 15
ary ny ampahafolon’ ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ho an’ ny tandapany sy ny tandonany.
وَيَأْخُذُ عَبِيدَكُمْ وَجَوَارِيَكُمْ وَشُبَّانَكُمُ ٱلْحِسَانَ وَحَمِيرَكُمْ وَيَسْتَعْمِلُهُمْ لِشُغْلِهِ. ١٦ 16
Ary ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany.
وَيُعَشِّرُ غَنَمَكُمْ وَأَنْتُمْ تَكُونُونَ لَهُ عَبِيدًا. ١٧ 17
Ary halainy koa ny ampahafolon’ ny ondry aman’ osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony.
فَتَصْرُخُونَ فِي ذَلِكَ ٱلْيَوْمِ مِنْ وَجْهِ مَلِكِكُمُ ٱلَّذِي ٱخْتَرْتُمُوهُ لِأَنْفُسِكُمْ، فَلَا يَسْتَجِيبُ لَكُمُ ٱلرَّبُّ فِي ذَلِكَ ٱلْيَوْمِ». ١٨ 18
Ary hitaraina amin’ izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin’ izany andro izany.
فَأَبَى ٱلشَّعْبُ أَنْ يَسْمَعُوا لِصَوْتِ صَمُوئِيلَ، وَقَالُوا: «لَا بَلْ يَكُونُ عَلَيْنَا مَلِكٌ، ١٩ 19
Kanefa tsy nety nihaino ny tenin’ i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay,
فَنَكُونُ نَحْنُ أَيْضًا مِثْلَ سَائِرِ ٱلشُّعُوبِ، وَيَقْضِي لَنَا مَلِكُنَا وَيَخْرُجُ أَمَامَنَا وَيُحَارِبُ حُرُوبَنَا». ٢٠ 20
mba ho tahaka ny firenena rehetra koa izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay.
فَسَمِعَ صَمُوئِيلُ كُلَّ كَلَامِ ٱلشَّعْبِ وَتَكَلَّمَ بِهِ فِي أُذُنَيِ ٱلرَّبِّ. ٢١ 21
Ary ren’ i Samoela ny teny rehetra nolazain’ ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan’ i Jehovah kosa.
فَقَالَ ٱلرَّبُّ لِصَمُوئِيلَ: «ٱسْمَعْ لِصَوْتِهِمْ وَمَلِّكْ عَلَيْهِمْ مَلِكًا». فَقَالَ صَمُوئِيلُ لِرِجَالِ إِسْرَائِيلَ: «ٱذْهَبُوا كُلُّ وَاحِدٍ إِلَى مَدِينَتِهِ». ٢٢ 22
Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin’ ny tanànanareo avy ianareo rehetra.

< صَمُوئِيلَ ٱلْأَوَّلُ 8 >