< Matiyu 18 >

1 Nanya kubi kurume nono katwa me da kitin Yisa iworo ghe, “Ghari udiawe nanya kipin tigo Kutellẹ?”
Tamin’ izany ora izany dia nankeo amin’ i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra?
2 Yisa yicila gono kibene adak kitime, ayisa ghe kiyitik mine,
Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany
3 anin woro, “Kidegene ndin belle munu se anung nsuna alapi mine iso nafo nono nibebene, anung ghe nan nya nkolome libau na iwasa ise upiru kipin tigo Kutellẹ ba.
ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra mihitsy ianareo.
4 Bara nani vat ulle na a toltuno litime nafo gono, kibene kane unit une amere udiawe nan nya kipin tigo Kutellẹ.
Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.
5 Nin ullenge na asere nkang gono kibene nan nya lisa nighe, asere mereku.
Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy.
6 Vat nle na ata warum nan nya nibebene nane na iyinna nin mi, ita kulapi, uba katinghe iyaun litala lidia iterighe nto, inin turunghe nan nya kuli kudia kiti kicacam.
Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin’ ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin’ ny ranomasina lalina izy.
7 Kash udu uyi bara kubin ntirzuari! bara uso doleari kubi kone ba dak bara ame!
Lozan’ izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan’ izay olona mahatonga ny fahatafintohinana.
8 Assa ucara sa kubunu fe, bba tifi utiro, werne unin ufilig pit kitife, uba katinfi usee ulai nin kagiisin kidowo, ninworu itufi nan nya nla so ligan uyiita nin ncara sa abunu fe vat. (aiōnios g166)
Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin’ ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin’ ny afo maharitra mandrakizay. (aiōnios g166)
9 Assa iyizife bba tiifi utiro, herina linin ufilin kitife, uba katinfi use ulaii nin liyizi lirum, nin woru itufi nan nya nla sa ligun nin niiyizi fe ib. (Geenna g1067)
Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ ny helo mirehitra afo. (Geenna g1067)
10 Yenjen na iwa yassu warum nan nya kitene kane nono kadura Kutellẹ mine ko kome kubi idi nyenju nmoru ncif nighe ulle na adi kitene kani.
Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan’ ny Raiko Izay any an-danitra.
11 Bara gono nnit na dak ada tucu nalenge na ina wulu.
(Fa tonga ny Zanak’ olona hamonjy ny very.)
12 Iyaghari idi nkpilize? Asa umon unit dinin nakam akalt likure, kurum nanye nwulu, na aba cinu akalt likure udiru kuurume kitene kikup adi piziru kone na kuna wulu ba?
Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania?
13 Andi ase kunin, kidegen ndi nbellu munu, liburi libo me kitene kukam kurume bba katinu nin gbardang kitene nakam akalt likure udiru kurum na kuna wulu ba.
Ary raha tàhiny hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania.
14 Nan nya nanere, na usun Ncif mine allenge nadi kutenit kane warum nan nya nibebene nai nanna ba.
Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin’ ireny madinika ireny.
15 Asa gwana fine ntafi kulapi, durso ghe utanu me, anung ligan mine, cas, asa a lanza fi, utuucu gwana fine.
Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
16 Andi na a lanzafi ba, yira nuwa na fine unit kiti nwanana urum sa anwaba ido kitime bara iyizi nawaba sa awaatat sa ko lome lugbulang base uyisinu.
fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo.
17 Asa anari ulanza nanan dortu Yisa, awa nari ulanzu nanan dortu Yisa, na ame so kitife nnafo kulumai sa unan sesen ngandu.
Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.
18 Kidegene re ndin bellu minu, vat nile imon na itere nan nya nnye, iba teru kitene kane, nin vat nile imon na ibunku nnye nanere iba bunku kitene kane.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra.
19 Ukpiine ku ndi bellu munu asa an wada nwa yinin nin nimon ule na iba tirrinu menku nan nya nnyi ucif nighe ulle na adi kitene kane bba su nani mun.
Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ ny tany na amin’ inona na amin’ inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ ny Raiko Izay any an-danitra izany.
20 Bara kiti ka na awaba sa an watat nzuro nan nya lisa nigh, ndi nanghinu.”
Fa na aiza na aiza no iangonan’ ny roa na telo amin’ ny anarako, dia ao afovoany Aho.
21 Nin nani Bitrus da ada belle Yisa ku, “Cikilari, udu timashinari gwana nighba sui kulapi meng shawa muna? udu so kuzora?”
Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan’ ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin’ ny impito va?
22 Yisa bellinghe, “Nna meng na bellinfi udu kuzor ba, uduru akalt kuzorii sau kuzor.
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ ny impito, fa hatramin’ ny impito amby fito-polo.
23 Bara nani, kipin tigo Kutellẹ di nafo umon ugo, na awa dinin su asu kibatiza nan nacin me.
Koa amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin’ ny mpanompony ny amin’ ny volany.
24 Kubi ka na awa acizina kibatize, ida nin nkon kucin me ulle na ame din dortughe titalent amui likure.
Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina.
25 Bara na awa idinin libau nbiuwe ba, Cikilari me na uduka idi lewuughe nin nwane a none umunu vat nile iimon na adumun, ida biyaghe.
Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain’ ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin’ ny fananany rehetra handoavana ny trosa.
26 Ame kucine dio kutyin, atumuno nbuun me aworo, 'Ccikilari, tursui limuri meng ba biyufi imonẹ vat.'
Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra.
27 Nin nani, Cikilari kucine, atinna alanza nkunekune me, bunkun ghe, shawan nin nre me.
Ary ny tompon’ izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy.
28 Ame kucin kone nuzu ase umon udone licin me ulle na ame din dortu ghe idinari likalt akifo ghe kusholshok, a woroghe, 'Blayi imon ile na ndi ndortu fi.'
Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.
29 Ame udone licinne dio kutyin, adi fo ghe nacara aworo, 'Ta ayi ashau nin mi nba biufi.'
Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao.
30 Ame kucin nburne nari, nin nani, ayiraghe atoghe licin, udu kubi ko na aba biughe ule imon na adin dortu ghe.
Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa.
31 Kubii na adone licin nyene ile imon na asu, ayi mine nana. Ida idi belle Cikilari mine vat nile imon na asu.
Ary nony hitan’ ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin’ ny tompony izany rehetra natao izany.
32 Cikilari kucin kone yicila ghe, a bellinghe, 'Fe vat bara uwa sui kuculu.
Dia nampanalain’ ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko ianao;
33 Na fe nwasa ulanza nkunekune ndofine kucine ba? Nafo na meng na lanza nkunekune fe?'
moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin’ ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?
34 Cikilarri me wa nanna ayi ninghe, a nakpa ghe nacara nanan nfo nanit udu kubi ko na aba biu imon ile na idi ndortu ghe.
Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.
35 Nanere wang ucif nighe kitene kani, ba su anunku, asa na anug ba shawa nin nalapi nuana nan nya nibinai mine ba.
Ary tahaka izany koa no hataon’ ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ ny fonareo avy ianareo.

< Matiyu 18 >