< Markos 13 >

1 Na Yisa wa cinu unuzu nanya kutein nlira, warum nanya nnono kattah me woroghe, “unan dursuzu, yene atala alele nin makyekye nmanaki!”
Ary nony niala teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!
2 A woroghe, “Uyene makyekye madidia maane? Na nlon litala ba lawu kitene Non ba vat iba turzunu anin.”
Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
3 Adi so kitene litalan zaitun likot kutii nlira, Bitrus, Yakubu, Yohanna, ligowe nin Andrawus tiringhe likot,
Ary raha nipetraka teo amin’ ny tendrombohitra Oliva tandrifin’ ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe:
4 “Belle nari ninshiyari iba suu ile mone? Yaghari madura nari nworo vat nile imone nan naduru udaka?”
Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?
5 Yisa tunna nbellu nani, “Yenjeng umon wa wultung munu.
Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
6 Anit gwardang ba dak nanya ni, 'Mere Ame,' tutung ibati anit gbardang wulu.
Fa maro no ho avy amin’ ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany.
7 Assa ilanza ubellen nakum kitene nakum, na iwa fya nibinai mine ba; ima suu ille imone, vat nani ligaghe nsa daba.
Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany.
8 Nkang kipin ba firunu nkang, Tigoh ba nari tigoh. Iba se uzunu niti niti gwardang iba su akpong. Ile imon inanzaghe uchizinari.
Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin’ ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan’ ny fahoriana.
9 Song cha. Ima du nin ghinu kiti nago, iba fo minu nanya natii nlira. Iba yisinu nbun na go nafo imon nyenu kitimine.
Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin’ ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.
10 Bara nani ima burnu ubelu nlirun nlai udu kifi nanit vat.
Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.
11 Iwa kifo munu idomun kiti nagoh, na iwah fya ayi mine kifene nile imon na iba bellu ba. Ka na iba bellu nkoni kube amon nanyan nkoni kube, ille imon na iba bellu ima nie munu; na nughere masu ulire ba, nfip Kutellẹari.
Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo’ amin’ izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masìna.
12 Gwana banii gwana me imollu, uchif nin gono me. Nono ba fiu nibineyi nachif mine bara imolsu nanin.
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin’ ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.
13 Anit vat ba naari munu bara lissanni. Amma ule na a ba tere, kibinai me aba se ulai.
Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.
14 Asa uyene umon izemzem yissin kiti kah na idin woro iyisin ku ba, (na unan yenju niyert yining), na allenge na idin Yahudiya na icumm udu apara,
Fa raha hitanareo mitsangana amin’ izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan’ ny fandravana (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.
15 ulle na adi kutii kitene na awa toluba, sa ada yiru imomon nanye imomon nanya,
Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony.
16 ulle na adi kunnen nawa dak nyiru ugudum me ba.
Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
17 Kash imon nkunne kuneri na lenge na imayitu nin nono nibebene nin nalenge na idumun nonon nmazinu na yiri ane!
Ary lozan’ ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’ izany andro izany!
18 Sun nlira na ile imone nwada kubi likus ba.
Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ ny ririnina izany.
19 Unieu udya ba yitu, i masu ilemon na anitin sa yenne ba, nworu na Kutellẹ wa kye uyẹh, udak nene, na isa su nani ba, å na iba kuru isu nani ba
Fa amin’ izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan’ Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony.
20 In sasana Cikilare na can ayire ba, na iwa se unan lai ba, bara alle na ina fere, unin nare nati i werne ayire.
Ary raha tsy nohafohezin’ ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
21 Tutun asa umon mbellin minu, 'Yenen, Kristi ulle!' Sa, 'Yenen, aminii!' na iwa yinin ba.
Ary amin’ izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ; aza mino ianareo.
22 Bara an Kristi kinu nin na nan nliru nin nu Kutellẹ kinu ma nuzu ima dursuzu imon yenju nin ni mon nmamaki, inan wultuno anit Kutellẹ wang adin uso nani.
Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.
23 Song ncha. Nna me bellum minu vat nille mone a na kube nsa da ba.”
Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra.
24 Assa ayiri nneu ane nkata, uwui ba siriu, na upui mani nkanang me ba,
Fa amin’ izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana,
25 iyin kitene kani ba dissu akara allenge na adinitene nani ma zulunu.
ary ny kintana hiraraka avy eny amin’ ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin’ ny lanitra.
26 Ma imanin yenu gono nnit in nuzu nanya nawut nin likara lidyah nin gongong.
Ary amin’ izay ny Zanak’ olona dia ho hita avy eo amin’ ny rahona amin’ ny hery lehibe sy ny voninahitra.
27 A banin tu nono kadura Kutellẹ amma piturnu allenge na ana fere nanin nnuzu tikot tinas uyiru na pori nyi udu napori kitene kani.
Ary amin’ izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny faran’ ny tany ka hatramin’ ny faran’ ny lanitra.
28 Yiran uyiru nimon kiti kucha kupul. Assa iyene tilanghe ncizina utilu naffa appese yinnong kusike nda susut.
Ary mianara ny fanoharana ny amin’ ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
29 Nanere tutung iyinigh ille mone ncizina, yinnon ada susut kibuluu'.
Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy.
30 Kidegen, mbellin minu, imon illele ma kulu vat ma kuji kone nin kata.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.
31 Kitene nin yii ma katu, na uliru nin ma katuba.
Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
32 Ubelleng liri lole nin kubi kone na umong yiru ba, na nono kadure kitene kane, sa gono me yiru ba, uchifere chas.
Fa ny amin’ izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
33 Song nin yiru! Yenjeng, bara iyiru sa kome kubiari ba.
Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ ny fotoana.
34 Umasin nafo unit ulle na assu uchin: acinno kilari me na chara nacin me, koyeme nin kata-a me. Anin belle unan ca kibulughe yenje uwasu mmoro.
Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;
35 Bara nani sun ucha! Bara na iyiru kubi ko na Cikilare ma dak ba, sa nin dew nwui, sa nin kitik, sa nin kolusunu kukulok, sa nin kui dindin.
Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
36 Awa da minu, na awa adah da se minu mmoro ba.
fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.
37 Ille mon nan din bellu minu, ndin bellu anit vat, yenjen kitii!”
Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ ny olona rehetra

< Markos 13 >