< Luka 3 >

1 Nanya likus likure nin natowun kube na ugo Tiberius Kaisar, ame Bilatus Ba-bunti wa di ugomna Nyahudiya, Hiridus wadi unan bunu gwamnna in Galili, gwana me Filibus wadi unan bunu kipin ituriya nin Tarakunitis, Lisaniyas wadi unan bunu gwamna Abiliya,
Ary tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,
2 nin kubi na Annas wadi kumalami kudya nin Kayafas, uliru Kutelle da kitin Yohanna, usaun Zakariya, nanya kusho.
ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe, ― dia tonga tamin’ i Jaona, zanak’ i Zakaria, tany an-efitra ny tenin’ Andriamanitra.
3 A wa cinu akeu nigberi naa na ni wadi ngau kurawa urdun, a wadin wazin shintinu nmyen nin foo na acara udu uwesu kulapi.
Ary nankany amin’ ny tany rehetra any amoron’ i Jordana izy nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka;
4 Nafo na inna yertin nanya kufa ligbulang Ishaya unan liru nin nuu Kutelle, “Li wai nmong din yicu nanya kusho, 'Kelen libau Kutelle, kelen tikoot mene ti so dert.
araka ny voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tenin’ Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
5 Vat awu ima kulu anin, vat atala nin naparan ima toltinu ana nin vat, tibau ti ginlang ima nakpu tinin, tibau ti nanzan ima kelu tinin lau.
Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina;
6 Vat anit ma yenu utucu Kutelle.'”
Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitra.
7 Yohanna woro ligozin na nite ale na iwa ccinu uda kiti me ada shintu nani nanya mmyen, “Anung kuewunu fiyii timung, nghani na kpada minu icun kiti finana nayi to na tidin cinu?
Dia hoy izy tamin’ ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
8 Nutunon nono nanga na nibatina ufubu, na iwa cizin ugbondilu nanya mine ba, “Tidin Ibrahim ucif bite,' bara na ina belen munu au Kutelle wa sa a nutuno Ibrahim ku nono tutung unuzu natala alele.
Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto.
9 Nene imalu tii kidowo tilin kuce bara nani vat kuca ko na kunutuno kumat kucine ba wase ikowo kunin i ta ulaku.”
Ary, indro, efa mipetraka ao amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.
10 Amon nanya ligozie teringhe imoro, “Iyanghari ti ma nin ti.”
Ary ny vahoaka nanontany an’ i Jaona hoe: inona ary no hataonay?
11 A kawa a woro nnani, “Umong wa di nin nalutuk aba, ana ule na a salimung, ule na asi nin nimonli a su nani.”
Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an’ ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.
12 Among anan sessun gandu da ida shintin nani nmyen, i woroghe, “'Unan yiru, inghanghri ti ma ti?”
Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?
13 A woro nani, “Na ima seru ikurfung ikata ile imong na ina beling minu.
Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.
14 Among a soja da tiringhe, i woro, “Arike fa? Tiba tizighari?” Aworo nani, “Na iwa seru ikurfun kifin mmong nin likara ba. Na iwa vura umong ba teren kibinai nin imung na idin bizu minu.”
Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin’ olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin’ ny karamanareo.
15 Nene na anite wa din ncaa ndak Yesu, kogha wadin kpilzule sa Yohanna re Kristi.
Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an’ i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,
16 Yohanna kawa a woro nani vat, “Bara meng idin shintu munu nanya myen, umong din cinu ulenge na akafini nin likara, na meng bafin inbunku tii nakpatak mye ba, ama shintu munu nanya Ruhu Ulau nin laa.
dia namaly Jaona ka nanao tamin’ izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin’ ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna sy ny afo;
17 Kupark mye di nanya nacara mye na ama kyeliu uaalkama a gutun insoronghe ayiru iyole atii filai ama juju insoronghe nin la ule na iwa se ibico ba.”
eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin’ ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin’ ny afo tsy azo vonoina.
18 Nin mong ugbaru udia tutung, abele anite ulilrun nlai.
Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin’ ny olona.
19 Yohanna kpada Hiridus ku kitin yerun nwaii mbene mye Hirudiya, nin vat nadu ananzang Hiridus na ana su.
Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin’ i Jaona noho ny amin’ i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,
20 Bara nan Hiridus kuru a ti nlong lidu tinanzang a mati i tursu Yohanna ilu nanya kilari lican.
dia nanidy an’ i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin’ izany rehetra izany koa.
21 Nene kubi da, na Yohanna wa shintu anit vat nanya nmyen, a shintino Yesu ku wang na awa din nlira kitene kani puno.
Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
22 Uruhu Kutelle tulu kitene mye nafo kuwulung, liwui nuzu kitene kani, “Fere gono nayi ning udin puzi ayi.”
ary ny Fanahy Masìna nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.
23 Yesu liti mye, kube na awa cizin udursuzue awa di nin nallus akut atat. Awa di usaun Yusufu, usaun Heli,
Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak’ i Josefa, izay zanak’ i Hely,
24 usaun Mathat, usaun Nlawi, usaun Melchi, usaun Jannai, usaun Yusufu,
zanak’ i Matata, zanak’ i Levy, zanak’ i Melky, zanak’ i Janay, zanak’ i Josefa,
25 usaun Matatiyas, usaun Amos, usaun Nnahum, usaun Hasli, usaun Nayjaya,
zanak’ i Matitia, zanak’ i Amosa, zanak’ i Nahoma, zanak’ i Esly, zanak’ i Nagay,
26 usaun Maatha, usaun Mattathiya, usaun Shimi, usaun Yuseka, nin saun Joda,
zanak’ i Mata, zanak’ i Matatia, zanak’ i Semey, zanak’ i Joseka, zanak’ i Joda,
27 usaun Yohanna, usaun Risa, usaun Zurbabila, usaun Shaaltiya, usaun Niri,
zanak’ i Joanana, zanak’ i Resa, zanak’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, zanak’ i Nery,
28 usaun Malki, usaun Addi, usaun Kusana, usaun Almodama, Usaun Iri,
zanak’ i Melky, zanak’ i Ady, zanak’ i Kosama, zanak’ i Elmadama, zanak’ i Era,
29 usaun Yosi, usaun Aliazara, usaun Yorina, usaun Mattahata, usaun Lami,
zanak’ i Jesosy, zanak’ i Eliezera, zanak’ i Joreima, zanak’ i Matata, zanak’ i Levy,
30 usaun Simion, usaun Yahuda, usaun Yusufu, usaun Yonana, usaun Aliyakima,
zanak’ i Simeona, zanak’ i Joda, zanak’ i Josefa, zanak’ i Jonama, zanak’ i Eliakima,
31 usaun Malaya, usaun Mainana, usaun Mattahata, usaun Nattana, Usaun Dawuda,
zanak’ i Melea, zanak’ i Mena, zanak’ i Matata, zanak’ i Natana, zanak’ i Davida,
32 Usaun Yassa, usaun Obida, usaun Buaza, Usaun Salmona, usaun Nahashuma,
zanak’ i Jese, zanak’ i Obeda, zanak’ i Boaza, zanak’ i Salmona, zanak’ i Nahasona,
33 usaun Aminasaba, usaun Arana, usaun Hasruna, usaun Harisa, usaun Peres, usaun Yahuda,
zanak’ i Aminadaba, zanak’ i Arny, zanak’ i Hezrona, zanak’ i Fareza, zanak’ i Joda,
34 Usaun Yakubu, Usaun Ishaku, Usaun Ibrahim, usaun Taraha, Usaun Nahura
zanak’ i Jakoba, zanak’ isaka, zanak’ i Abrahama, zanak’ i Tera, zanak’ i Nahora,
35 usaun SAruja, usaun Rauwa, usaun Palaju, usaun Aberu, usaun Shalahu,
zanak’ i Seroga, zanak’ i Reo, zanak’ i Palega, zanak’ i Ebera, zanak’ i Sela,
36 Usaun kinana, usaun Arfakshada, usaun Samana, usaun Nuhu, usaun Lamaka,
zanak’ i Kenana, zanak’ i Arpaksada, zanak’ i Sema, zanak’ i Noa, zanak’ i Lameka,
37 usaun Matushalaha, usaun Anuhu, usaun Jarada, usaun Mahalailu, usaun Kanana,
zanak’ i Metosela, zanak’ i Enoka, zanak’ i Jareda, zanak’ i Mahalalila, zanak’ i Kenana,
38 Usaun Anosha, usaun Shittu, usaun Adamu, Gono Kutelle.
zanak’ i Enosa, zanak’ i Seta, zanak’ i Adama, zanak’ Andriamanitra.

< Luka 3 >