< Luka 21 >

1 Yesu fiya iyizi ayene kitene kani anin yene anan nikurfunghe din nizun usadaka mine nanya kukuzenghe.
Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin’ ny fandatsahan-drakitra;
2 A yene umon uwani na ulese wa ku adin ti nikubu iba nanya kukuzunghe.
ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy.
3 Anin woro, “Kidegene mbelen minu, ule uwanin derun lese inta vat a kata anit ane.
Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.
4 Vat mene wani nanya nigbardan ile na idimun. Bara nani ule uwanin salin lese, wani nanya likimun me, vat nikurfun mere a wanutun.
Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ ny haben’ ny fananany no nandatsahany tao amin’ ny rakitra; fa izy kosa tamin’ ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
5 Nafo na amon waliru kutii nlira, nafo na ma kye nin natala acine nin sadaka, a woro,
Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:
6 “Bara ile imune na idin yenju, ayiri ba dak na ima sunu nlon litala kitene nlong na ima sali sa uturne ba.”
Ny amin’ ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
7 Bara nani itiringhe, I woro, “Kumallami, nin shiyari ile imone ba ti?”
Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?
8 Yesu kawa, “Yenjen umon wada rusuzu minu Bara anit gbardan ba dak nin lisa ning, I din belu, 'Mere ame,' 'Kuben ndaa susut.' Na i wa dufin nani ba.
Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin’ ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.
9 I wa lanza ubelen likum nin fizu nayi, na I wa lanza fiu ba, bara na ile imone ma dak nin burne, nara nani na liganghe nsa da ba.”
Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin’ izay ny farany.
10 Akuru a woro nani, “Nmgiin ma su likum nin umong nmgiin, kipin tigoo nin kan kipin tigoo.
Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.
11 Kutyene ma zullunu kang, nin nite gbardan kukpan ma yitu nin nijase tekanu tididya. Adadu fiyu ma yitu nin nalap adidya kitene kani.
Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.
12 Bara nani makin ile imoone vat, ima ti minu acara iti minu ayiasirne, ima du nin ghinu nanya ni larin nlira nin nilari licin, I ma du nin ghinu ubun tigoo nin nbun na gumna bara lisa ning.
Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
13 Uba soo kube na iba belu imoon icine ile na Kutelle nsuu minu.
Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.
14 Bara nani keleng nibinai mine na ima kesuzu ati mine udu kuni kube ba.
Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;
15 Bara na nba ni minu tigbulan nin kujinjin, na vat anan nari mine wasa ita mayardan ku sa I kpiliya umon uleru ba.
fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.
16 Bara nani acef, nwana, adondon nin nakura ma nakpu minu, ima ti among mine ikuzu.
Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
17 Ima nari minu bara lisa ning.
Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
18 Bara nani na liti titi mine lirum ma wulu ba.
Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ ny lohanareo aza.
19 Nenyan nteru nibinai mine I ba se imon kitene tilai mine.
Amin’ ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
20 I wa yene ikilino Urshalima nin nasoja, yinnong unanzwe nda susut.
Ary raha mahita an’ i Jerosalema voahodidin’ ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.
21 Na ale na idin Yahudiya cum udu kitene natala, ale na idi nanya kipine kitik nuzu, na I wa yining a le na idi tikauye piru ba.
Ary izay any Jodia amin’ izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.
22 Bara na ale ayire an tunjuari, bara vat ni lee imon na ma yertin kulo.
Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
23 Kash nawani ale na idin nin naburi kumat nin nalee na idin mazinu nono nanya na yiri ane! Bara na ijasi idya ma yitu nmgine, niin tinana nayi udu anite.
Fa lozan’ ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’ izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ ny tany ary fahatezerana amin’ ity firenena ity.
24 Imanin mulsu nani nin kusangali ima soo alin nanyan nmgene vat, awurmi ma patilu Urshalima udu kubin kulu na wurmi.
Dia ho ringana amin’ ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin’ ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ ny jentilisa.
25 Kulap ma yitun nwui, nanyan mpoi, nin nanya niyinin, nin kitene nyii, nin puyu nati nmgen, nany nlazu fiyu ngurzunu na rawa adidya nin fune.
Ary hisy famantarana eo amin’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ ny tany dia hisy fahorian’ ny firenena amin’ ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ ny ranomasina sy ny fanonjany,
26 Anit ma kuzu ifiliza bara fuyu inca nimon ile na idin cinu kitene nyii. Bara na likara kitene kani ma zulunu.
ka ho reraka ny fon’ ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ ny tany; fa ny herin’ ny lanitra dia hohozongozonina.
27 I ba nin yenu Gono nnit din cinu nanya na wut nin likara nin zazu udya.
Ary amin’ izany andro izany dia hahita ny Zanak’ olona avy eo amin’ ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
28 Bara nani ile imoone nwa cizin, fitan iyisin, inin ghantin ati mine, bara na utucu mine nda duru susut.”
Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
29 Yesu benle nani tiwankari, “Yenen kuca kupul nin nace vat,
Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.
30 I wa yene kuca kupul ngutuna afa apese din tilu I yino bara ate mine au kubi kusik nda susut.
Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.
31 Nanere, I wa yene ile imoone din dasu, yinong au kipin tigoo Kutelle nda susut.
Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra.
32 Kidegene, mbelinminu, na ko kuje a katu ba, se imoon ilelee nkulo vat.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.
33 Kitene kane nin nmgen ma katu vat, bara nani na ligbulan lirum nanya nlirunighe ma katu ba.
Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
34 Bara nani, dinjan atuf nati mine, bara na nibinai mine wati getek nin na dadu ananzang, inyeu mso na dadu ahem, nin kpilizun nliru nyii, bara na lere wada muu minu,
Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
35 nafo libarda, bara na lima dak liti na nit vat nanan nlai na idi nanya inyii ulele.
Fa hihatra amin’ izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ ny tany rehetra izany.
36 Bara nani, Punon iyizi vat kubi idin tizun nlira bara inan se agan kang inan cuo ile imoone na ima dak, inin yisin mbun Gono nit.”
Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona.
37 Kubi ko na awadin dusuzu nanya kutii nlira nin kitwik a nuzu udas, anin moro kiten nlon litala na idin yicu litalan Zaitun.
Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.
38 Anite vat da nin koi dindin inan lanzaghe nanya kutii nlira.
Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan’ ny tempoly hihaino Azy.

< Luka 21 >