< Ibraniyawa 8 >

1 Nene udursu nile imon na tidin nbelle inere, tidi nin npirist udia ulenge na asosin ncara alime unkutel ndia kitene kani.
Ary amin’ izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin’ ny ankavanan’ ny seza fiandrianan’ ny Avo Indrindra any an-danitra,
2 Ame kuci nari nanya kutyi kulau, kutyii nliran kidegen na cikilari wa tuno, na unit usurneri ba.
Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna sy ny tena tabernakely, izay naorin’ ny Tompo, fa tsy olona.
3 Bara ko uyeme upirist iwa fereghe a ni vat unizu nin gutunu nmyi bara kulapi, bara nani uso gbas ise imomon na iba ni.
Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin’ izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy.
4 Nene ndah Kristi wandi nanya nyi, na awa so upirist ba, sam, tunda na amon duku allenghe na ina niza ufilizinu bara uduka.
Koa raha etỳ ambonin’ ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna,
5 Iwa tumuzun imomon ile na uli nafo ulema nin nshin, nimon kitene kani, nafo na Kutelle wa su Musa ku kagbara, kubi na awadi nworu a tuno litino kutyin nliran, “yene” Kutelle woro “uba ke imone vat nafo nda na iwa dursofi kitene likup,”
dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin’ izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron’ Andriamanitra an’ i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: “Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra”.
6 Bara nene Kristi wa seru katuwa kadia, bara ame tutun di kiyitik nalikawali acine, alenge na iwa tunno nanya likawali acine.
Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ ny teny fikasana tsara lavitra.
7 Andi aleli alikawali nburne na nnana ba na ubellen npiziru nalikawali an ba ba yitu ku ba.
Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an’ ny faharoa.
8 Na Kutelle wase kulapi kiti nanit, aworo “yenen ayiri din ncinu” ubellun ncikalari. Kubi na mba su alikawali apese nin kilarin Isiraila, nin kinin kilarin Yahuda.
Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ isiraely sy ny taranak’ i Joda,
9 Na aba yitu nafo alikawali alenge na nnasu nan na cifi mene ba, nloli liyire na nwan yacun nani nin nacara nnutuno nani nanyan nmyin nmasar, bara na iwa li ubun nanya nalikawali nighe ba.
Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany Tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin’ ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
10 “Bara alelere alikawali alenge na mbasu nin kilari Isiraila, kimal nale ayire” ubellun cikilari “mba” ciu uduka nigh nanya nibinai mine, mba kuru nyertu unin nanya nayi mine, mba so Kutelle mine, ung baso anit nighe.
Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;
11 Na inug ba dursu umon unan lisosin kupo mine ba, sa umon gwana me, ubelle, “yinnon cikilare” bara vat ba yinie, unuzu nbene udu udiawe.
Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra;
12 Bara meng ba dursu nkunekune kitene naddu ananzan mine, na meng ba kuru nlizin nin nalapi mine ba.
Fa hamindra fo amin’ ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany".
13 Nanya nbelle “ipese” anati alikawali nburne akuse inin ulenge na ana bellin iso ikuse ina mali uwulu.
Amin’ ny anaovany hoe “vaovao” dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona.

< Ibraniyawa 8 >