< 2 Ukorintiyawa 2 >

1 Namere in wa kpila kibinai ning likot nan ba kuru ndak kitimine tutung nanya piu sa nanya tinana nayi ba.
Fa ninia toy izao tato am-poko aho, dia ny tsy hankatỳ aminareo indray amin’ alahelo.
2 Andi wa nan za minu ukul, gyari ma tiiyi nhsau kibinai ame ule na inlanzaghe ukulere?
Fa raha mampalahelo anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?
3 In wa yertin nafo na inasu bara inwa dak kitii mine na among mine ba lanzu ukule ba na a nunghere ma tiyi ayiaboo. Idinin likara kibinai kiti mine vat bara na mmang nighe mi rummere nan yinu vat.
Ary nanoratra izany indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin’ izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa.
4 Bara indin yertu minu nanya nijase idia nin nayi asirn, nin mizin midiy, na idinin iti minu inpiu ni dawo b. Bara nanin iyinin incancam nsu ule na dimu kiti mine.
Fa tamin’ ny haben’ ny fahoriana sy ny alahelon’ ny foko no nanoratako taminareo tamin’ ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra.
5 Wase umong lanzai ukul, na alanza miyari cas b, bara nani inkon kubi na adinin su atiminu gbagbairyari vat b.
Fa raha nisy efa nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.
6 Ule uburne le unite na ibureghe mbatina.
Ampy ho amin’ izany olona izany ny fampijaliana nataon’ ny maro,
7 Nene uworu ule uwahale shawan nin nin, umong na ataa i nunkughe kibina, bara ingetek kibinai wa teghe ayiairne gbarda.
ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin’ ny fitomboan’ alahelo izany olona izany.
8 Nani idin timinu likara kibinai i dursughe usu na anit ba yenju.
Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin’ ny fitiavana izy.
9 Ulena unnare wati inyertin minu bara inan dumun minu nin yinu sa idinin kudurtin [biyaya]nanya nimong vat.
Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin’ ny zavatra rehetra ianareo, na tsia.
10 Andi ishawa nin kulapin nanit va, men ma ma shawu mung ma, ilemon na inshawa mun, inshawa mun m, imini shawamu bara anighere nbun Krisri.
Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa, raha nisy heloka navelako, dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason’ i Kristy,
11 ilele kiden ghere bara shitan wa su narin tikanc, bara na titani imong ele na idi kibinai ba.
fandrao ho resin’ ny fitak’ i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.
12 Bara na Ucife wa punin kibulun kubi kona inwa dak nanya Troas unwaazinlirin Kriste kikane.
Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny filazantsaran’ i Kristy aho, ka novohana varavarana ao amin’ ny Tompo,
13 Nin nani wan, na inse uno kibinai b, bara na iwa yene gwananin Titus kikane ba, intina kpila udu Umakadoniya.
dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an’ i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.
14 Bara nani uzazunu Kutelle ri ulena adi nanya Kristi na adin cinu nin narik udu linbun, nanya bite uliru umang din nudu anit lanza kauley.
Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’ i Kristy toy ny fanaon’ izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.
15 Bara tidi Kutelle mamas nin Kristi, vat nanya na le na ina tucu nani nin nalena Yesu na tucu nanin ba ima tii anan kul.
Fa hanitr’ i Kristy ho an’ Andriamanitra izahay amin’ izay hovonjena sy izay ho very:
16 Udu nalena idin kuzu ima imon immang ghari unuzu kul udu ukul. Udu nale na inatuc, unuzu inlai udu lai, ghari dinin su nilemong ghe?
amin’ ny sasany dia hanitra avy amin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fahafatesana; fa amin’ ny sasany kosa dia hanitra avy amin’ ny fiainana ho amin’ ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin’ izany zavatra izany?
17 Bara na aari di nafo anit gbardan na idin lesu uliru Kutelle isesu ikurfun ba. Nanya nan, nin lau kibina, na ina tuu unuzu Kutell, nanya mmuro Kutell, ti din nlirun Kristi.
Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’ Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’ Andriamanitra sady eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy.

< 2 Ukorintiyawa 2 >